Nitady basy ahofa: dahalo maty voatifitra, voasambotra ny namany

Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy iray nitady basy ahofa 4 hetsy Ar tao Manam­bila, distrikan’i Farafangana, ny talata 19 janoary teo. Ani­san’ireo dahalo nangalatr’ omby tao amin’io tanàna io, nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary vela-pandrika ity lehilahy ity. Mpiambina ao amina sekoly iray ao an-toerana ihany ny naman’izy io. Tratra tamin’ny finday an’io mpiambina io fa miantso azy foana ity dahalo namany ity ary mitady basy hofaina. Entina hangalarana zaza varira any Ambohimandroso, distrikan’i Farafangana sy hamakiana fasana io basy io. Tratra tao amin’ilay mpiambina se­koly io fitaovam-piadiana io. Nofandrihana koa, ilay dahalo iray namany nitady ny basy, ny Alarobia 19 janoary. Niri­fatra avy hatrany anefa izy vao nahita ny zandary nanao fanamiana sivily. Nentiny nandositra ny angady teny amina mpiasa tany iray sendra azy. Tapi-dalan-kaleha ity farany. Nikasa hively ireo zandary hisambotra azy tamin’ny angady. Lavon’ ny bala io dahalo io. Notanana atao fa­nadihadiana alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ ny fitsarana ilay mpiambina se­koly niray tsikombakomba.

Tsiferana R.

Partager sur: