Nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny taom-pianarana vaovao 2022 -2023 ho an’ny oniversite FJKM Ravelojaona, afakomaly. Fotoana nankalazana ny faha-dimy taona nijoroan’izy ireo ihany koa. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina ny fankalazana. Maro ny hetsika ara-kolontsaina nataon’ny mpianatra, toy ny fampisehoana ireo foko 18 sy ny kolontsaina anatin’ny faritra 23 izay nampiavaka ny hetsika. “Tsy mora ny lalana nodiavin’ny sekoly tao anatin’izay fotoana izay, mbola mitaky ezaka mafy izany”, hoy ny rektoran’ny oniversite FJKM Ravelojaona, pastera Ratsimandisa Zo. “Tsy maintsy manafatra profesora avy any ivelany ny oniversite na dia manana profesora maro sy mahay aza isika eto Madagasikara, mba hampiakarana ny kalitao sy lentan’ny fampianarana”, hoy hatrany izy. Maro ny sampam-pianarana hita eo anivon’ity oniversite ity, toy ny mpampivelona, tontolo iainana, fanabeazana, teny anglisy, fizahan-tany. Manodidina ny 2000 isa ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly manerana ny nosy hatreto. “Tokony hanana fitondran-tena mendrika ny tanora” hoy ny pasitera Andriamahazosoa Irako nandritra ny toriteniny tamin’ny fotoam-pivavahana. “Aoka mba hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao.”, io no lohahevitry ny fankalazana. Mbola hitohy ny hetsika fankalazana ny faha-dimy taona ataon’izy ireo, toy ny fambolen-kazo, ny fananganana trano ary ny fihaonambe.
Mino ( mpianatra asa)