Rugby: mikiry ny hamerenana ny fifidianana ireo ligim-paritra

Mitohy ny fitakiana ho an’ireo ligim-paritra eo anivon’ny taranja rugby. Mikiry hanao fivoriambe sy hamerina ny fifidianana anatin’ny mangarahara izy ireo.

Taorian’ny fankatoavan’ny rafitra iraisam-pirenena, Rugby Afrique sy ny federasiona iraisam-pirenena (IRB), ny fahalanian-dRakotomalala Marcel, hitantana ny Malagasy rugby ho an’ny taom-piasana manaraka. Miseho indray ireo ligim-paritra sasany, mijoro ary tsy manaiky izany.
Ny alakamisy lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana indray izy ireo ny amin’ny maha rafitra fara-tampony sy mandidy manapaka eo amin’ity baolina lavalava, araka ny voalazan’ny sata mifehy ity taranjan’Amba­lam­ba­hoaka ity. Takin’izy ireo, ny hamerenana ny fifidianana madio sy mangarahara, ka hahafahana mifidy izay ho filohan’ny Malagasy rugby. Mbola hirahirain’izy ireo ny tsy fankatoavan’ny minisitera ny fifidianana tontosa tany Toliara ny volana desambra 2022. Araka izany, mangataka ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo, hampiantso fivoriambe tsy ara-potoana ka hahazoana mametraka miaraka izay rafitra hikarakara ny fifidianana izay.
Etsy an-kilany, efa nahazo fanasana avy amin’ny Rugby Afrique ny filohan’ny Mala­gasy rugby, Rakotomalala Marcel, hanatrika ny fivoriamben’ity rafitra misahana ny rugby eto Afrika ity, atsy Cap Town Afrika Atsimo ny 18 marsa ho avy izao. Izy rahateo, anisan’ireo ho kandidà, hirotsaka ho fidiana ho komity mpitantana eo anivon’ny Rugby Afrique.

Tompondaka

Partager sur: