Nanolotra fitaovana ho an’ny sampam-pianarana teny anglisy eny amin’ny oniversiten’Ankatso ny masoivoho amerikanina, omaly. Nahitana fitaovana elektronika sy fanaka an-dakilasy.
Tanjona ny fanatsarana ny tontolo fianarana ao amin’ny efitrano fianarana sy tranomboky ao aminy. Heverina fa hanampy sy hampirisika hatrany ireo mpianatra hisitraka fomba fianarana mahomby kokoa, ireo talantalana, latabatra, birao, seza, fahitalavitra sy fitaovana elektronika maro samihafa vaovao.
Manohana ity Sampam-pampianarana teny anglisy ity ny masoivoho amerikanina, noho izy hany sampam-pampianarana ambony fianarana teny anglisy eto amin’ny firenena no sady seha-piofanana lehibe ho an’ireo mpampianatra teny anglisy maro eto an-toerana. Tenim-pirenena be mpampiasa indrindra maneran-tany , teny hifanakalozana eo amin’ny raharaha iraisam-pirenena, ny tontolon’ny siansa sy ny internet ny teny anglisy.Izany indrindra no hanokafana fanararaotra ara-panabeazana sy ara-toekarena ho an’ny mpianatra Malagasy eto amin’ny firenena ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teny anglisy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Nandray ireo fampitaovana omaly, ireo avy amin’ny masoivohon’i Etazonia, Ryan Bradeen, ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, ny Profesora Ravelomanana Mamy, notrononin’ny sojaben’ny FLSH, Ralinirina Fanja Tahina, sy ny lehiben’ny sampam-pampianarana teny anglisy, Andrianarivelo Harilala.
Tatiana A