SESAM 2023: hiavaka ny andiany fahatelo

Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Espace Akouna Alasora, ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), andiany faha-3. Hetsika natao hampahafantarana taranja iray misehatra amin’ny “arts martiaux” sy ny «sports Extrêmes». Ham­piava­­ka ny hetsika, ny kalitaon’ny zavatra hasehon’ireo mpandray anjara ary hisy mi­hitsy ny fifaninanana «stand» mendrika indrindra, ho an’ny « arts martiaux » sy ny « sports extrêmes », araka ny nambaran’ny mpikarakara, Ratsimiseta Tsiry. Hisy ny loka sy ny amboara homena izay « stand » mendrika ka fepetra maro no hitsarana izany, miankina amin’ny hatsaran’ny zavatra aseho, ny endrika ivelany sy ny haingo, ny fampisehoana na ny « dé­monstration » ary ny fomba fandraisana mpitsidika.
Tsy miova ny tanjona ho an’ny Sesam, dia ny hitaiza amin’ny alalan’ny seho miavaka, hitondra ny tantaran’ny taranja iray izay haranty amin’io fotoana io. « Mila manaiky hampiseho seho matihanina ny mpampiranty mba hiainan’ireo mpitsidika tontolo hafa mihitsy anaty fitoniana », hoy ny fanazavan’ny Maitre Edouard, miara-miasa akaiky amin’ny Sesam. Mi­alo­han’ny hanaovana ity hetsika ity, izay kasaina hatao ny faran’ny vo­lana aprily na ny fiandohan’ny volana mey, hisy ny fambolen-kazo hotontosain’ny fianakaviamben’ny Sesam, ny 25 febroary izao any Ambohi­manga Rova. Tafiditra indrindra anatin’ny vinan’asany ra­hateo ny fikajiana ny tontolo iainana ka anton’izao fambolen-kazo izao, araka ny fanazavan-dRatsimiseta Tsiry ha­trany. Hitohy amin’ny fanaovana horonantsary ireo mpandray anjara amin’ny Sesam, ny 15 marsa kosa ny fandaharam-potoana ary hofaranana amin’ny lanonana fizarana mari-pankasitrahana, aorian’ny hetsika Sesam.
Efa maro ny miara-miasa amin’ny Sesam manohana ny hetsika karakarain’izy ireo saingy mbola manentana izay malala-tanana afaka mifanohana ihany koa ny mpikarakara. « Mila tetibola ny fitaizana mba hahatratrarana ny tanjona », hoy ny nohamafisin-dRatsimiseta Tsiry.

Mi.Raz

Partager sur: