Miampy 15 ny Faritra arovana (AP) hisitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny Fikambanana misahana ny faritra arovana sy ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ity taona 2023 ity. Nampitomboana ny isany sy ny famatsiam-bola satria mihazakazaka ny fahasimban’ny ala.
Miisa 64 ny Rafitra faritra arovana (SAPM) amin’ny 123 eto Madagasikara no hahazo izany famatsiam-bola izany, izay mitotaly 17,9 miliara Ar (4,428 tapitrisa dolara).
Mahatratra 5.286.000 ha ny fitambaran’ny faritra arovana hahazo ireo famatsiam-bola ireo, izany hoe ny 70%-n’ny totalin’ny velaran’ny Rafitry ny faritra arovana eto amintsika.
Nahafahana nanampy ho 15 ny AP hahazo tohana ara-bola ny fandraisana anjaran’ny mpamatsy vola alemà KFW amin’ny renivolan’ny FAPBM, nanomboka ny taona 2021, ary avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (FME) sy ny Conservation international.
Nofidiana arakaraky ny lanjan’ny zava-manan’aina sy ny tsindry mihatra aminy ny AP ho tohanana. Avy amin’ny FAPBM ny 30%-n’ny tetibola ho an’ny faritra arovana vatsiana vola. Laharam-pahamehana ny hahazoana antoka fa mandeha ara-dalana ny asa rehetra, sady mampandroso ny vondron’olona eny ifotony.
Mihazakazaka ny fanapotehana ala
Hiakatra 43% ny fitambaran’ny famatsiam-bola omen’ ny FAPBM raha oharina ny tamin’ny taona 2022. Natao izany satria mihazakazaka ny fahasimban’ny tontolo iainana, vokatry ny fanimbana ny ala.
Nilaza ny mpitantana AP iray, fa «mipetraka amin’ny sehatra izay tsy vatsian’ny mpamatsy vola mahazatra hafa mihitsy ny FAPBM. Satria, efa nekeny ny hamatsy vola mandritra ny fotoana maharitra hampandehanana ny Faritra arovana. Manan-danja izany, entina ahazoana antoka fa mitohy ny asa fototra fikarakarana maharitra, sady hitarihana ny mpamatsy vola hafa.
Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FAPBM, Rtoa Ratsifandrihamanana Nanie, fa tanjona manaraka ny hamatsy vola AP miisa 72 hatramin’ny taona 2026. Natsangana ny Firaisankinan’ny Faritra arovana, iarahana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Madagascar national parks ary ny ONG sy ny mpamatsy vola. Andraikiny ny manetsika ny tohana ara-bola sy ara-politika maharitra sy azo antoka. Tsy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ihany no antsoina, fa ny eto an-toerana ihany koa, ka isan’izany ny tsy miankina.
Njaka Andriantefiarinesy