Zavakanto “Marqueterie”: hampiranty eto amintsika i Guy Pradel

Hotanterahina ny 07 fe­broary 2023, hatramin’ny 25 febroary 2023, ny varotra fampirantiana hataon’i Guy Pradel, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny rakitakela-manify na “Mar­­quéterie”. Ao amin’ny Institut Français de Mada­gascar na IFM Analakely no hanatanterahana ny hetsika. Lohahevitra amin’izany fampirantiana izany ny “Sacra­mental”, lohahevitra mampiseho ny mahakasika ny fanantenana sy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny zava-masina.
Ny 14 janoary 2023 teo no nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny mahakasika ny fandalovany eto Mada­gasikara i Guy Pradel sy ny mpikarakara ny hetsika. Mpanakanto manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hosodoko, indrindra ny “marqueterie” i Guy Pradel. Zava-kanto miavaka sy maharitra ary marina no tena mampiavaka ny zava-kanto ataon’ity mpanakanto ity. Efa nandritra ny 40 taona mahery izy no nilona teo amin’ity tontolo ity.Tsy zoviana amin’ny maro ny lazany any ivelany, indrindra ny ao Eropa sy eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Ity fampirantiana tanterahiny eto Madagasikara ity no hi­santaran’i Guy Pardel ny amin’ity taona ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: