Alahadin’ny tenin’Andriamanitra Iainana fa tsy vakiana fotsiny ny soratra masina

Alahadin’ny tenin’Andria­manitra! “Tsy vakiana fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa iainana” hoy i Masera Seheno, tompon’andraikitra eo an­ivon’ny librairie Md Paoly. Nankalaza ny andron’ny tenin’Andriamanitra ny fiangonana Katolika ny asabotsy teo. Natao teny Analakely izany ka nampisehoana hetsika maro. Anton’ny hetsika ny hanampiana ny olona mba hiomana sy hiaina tsara kokoa ny alahadin’ny tenin’Andria­ma­nitra. Nianga avy amin’ny taratasy apostolika nosora­tan’i Papa François tamin’ny 2019 manao hoe: “misokafa ny sain’izy ireo” ny hetsika. “Irariana ny hiainan’ny olon-drehetra na aiza na aiza ny fizarana, ny fandinihana ary ny famakiana ny tenin’ Andriamanitra mba hampivoarana ny fiainantsika manontolo”, hoy ity relijiozy ity.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: