New Energy Africa (NEA) ao amin’ny Vondrona Axian, GreenYellow, GuarantCO, African Guarantee Fund (AGF), ary Société Générale (SG), niray hina nanambatra renivola 47,1 miliara ariary (manodidina ny 10 tapitrisa euros) ho famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro.
Samy manana ny mampiavaka azy amin’ny famokarana angovo azo havaozina ireo mpiara-miombon’antoka ireo. Lehibe indrindra eto Madagasikara io famatsiana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro io, trandrahin’ny NEA. Amin’ny ankapobeny tantanan’ny sehatra tsy miankina.
Ny banky SG no miantoka voalohany ny famatsiam-bola, manampy ny GuarantCO sy AGF. Izany dia hahafahan’ny NEA Ambatolampy manitatra ny herinaratra vokariny manampy 20 MW sy mametraka fitaovana fanao vonjy taitra 5 MW. Samy mitondra izay tandrify azy ireo mpiara- miombon’antoka rehetra.
Hetsika fanindroany izao, mamokatra angovo avy
amin’ny herin’ny masoandro tohanan’ny Société Générale, GuarantCO sy AGF, manampy tamin’ny 2020. Manomboka izao, ny Vondrona Axian sy GreenYellow mampiasa ny toby NEA Ambatolampy manana hery avy amin’ny masoandro 40 MW sy vonjy taitra 5 MW no goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Ezahina tratrarina ny tanjona napetraky ny Firenena mikambana, hampihena ny fihanaky ny CO2 hatramin’ny 34 000 t, ary hahazo herinaratra ny any ambanivohitra sy ny mponina manodidina ny 285 000. Marihina fa tsy misy afa-tsy 15 % ny herinatra manerana ny Nosy, ary 8 % monja no voavatsy any ambanivohitra.
Mampiforona sehatrasa maro
Hampihena ny saran’ny famatsiana herinaratra mitovy koa izany no sady mampitombo sy manatsara ny famatsiana azy, mampiforona sehatrasa maro hisian’ny fampandrosoana maharitra.
Tsiahivina fa efa samy namatsy an’ny NEA Ambatolampy, izay 20 MW tamin’ny voalohany (oktobra 2020), ny GurantCO sy ny AGF. Izao hetsika fanindroany izao, manome hery mitovy tamin’ny voalohany ihany, manambara fa hahazoana tombony izao tetikasa izao sady maharitra.
Ndrina
Hoy izy ireo
Benjamin Memmi, Tale jeneralin’ny AXIAN Energy : «Voninahitra ho anay ny afaka miara-miasa indray amin’ny Société Générale, GuarantCo sy AGF ho an’io tetikasa ho tombontsoam-bahoaka hisian’ny fampandrosoana maharitra io» .
Pierre Marouby, Tale jeneralin’ny GreenYellow : «Manaporofo izao fiaraha-miombon’antoka izao fa misy ny fahatokisana ny GreenYellow. Izahay rahateo no lohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro».
Layth Al-Falaki, Filoha tale jeneralin’ny GuarantCo : «Faly izahay nahavita ny andiany faharoa niaraka tamin’ny NEA, avy amin’ny vola eto an-toerana. Nampiditra ny banky amin’ny sehatry ny angovo ireo famatsiana indroa ireo. Ny antoka avy aty aminay manampy ahazoana angovo madio sy mora kokoa».
Jules Ngankam, Tale jeneralin’ny AGF : «Ny antoka omenay voalohany ny NEA sy ny GuarantCO dia manamora ny fahazahoana angovo isan-tokantrano sy ny orinasa eto Madagasikara, ahafahana mamorona asa vaovao mampandroso ny toekarena».
Zdenek Metelak, Tale jeneralin’ny SG : «Mety amin’ny Société Générale izao mamarana asa fanindroany izao. Manambara ny toerana mampiavaka ny bankinay eto Madagasikara izany, noho ny fahafahany manohana ireo mpanjifa amin’ny tetikasany» .
Nangonin’i Ndrina