Basikety-Esport FIBA: hiatrika famaranana ny Malagasy

Mahomby ny ekipam-pirenena malagasy, miatrika ny fifaninanana Esport Fiba, taranja basikety. Fifaninanana “jeu video” ho an’ny firenena Afrikanina nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Ta­fakatra famaranana ny ekipan-dry Ranto, Timothy, Johan, Andraina ary Franck, rehefa nandresy an’i Côte d’Ivoire, Maraoka ary Egypta.
Rahampitso talata 24 ja­noary no hiatrika izany lalao famaranana izany i Madaga­sikara miaraka amin’ireo firenena sangany eto Afrika. Tsiahivina, Federasiona nasionaly miisa 30 no mitsinjara anaty kaonferansa 6, no miatrika ity fifaninanana ity, hahitana ny Amerikanina Tandre­fana, Amerikanina Tatsimo, Atsinanana Afovoany, Asia Atsimo Atsinanana, Eoropa ary Afrika.
Manana ny herijika hibatana ny fandresena i Madaga­sikara, raha ny voka-dalao hatrany am-piandohana.

Mi.Raz

Partager sur: