Nidina ifotony nihaino ny hetahetam-bahoaka tetsy amin’ny boriborintany II ny eo anivon’ny Ifi, ny asabotsy teo, tetsy Antanimena. Teo koa ny fanentanana ny mpifidy hijery ny anarany anaty lisi-pifidianana. Nitarika izany teny an-toerana ny filoha mpitarika, ny loholona Ramanambitana Richard sy i Ndremitsara Tarzan. Nambaran’izy ireo fa zo sy adidy masina ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka ny mifidy ka tsy tokony ho varimbariana. “Mila manamarina ny anarany. Entano ihany koa ny manodidina anao, mba hanao toy izany. Aza misalasala, fa teneno avy hatrany ny tompon’andraikitra rahatoa ka tsy mbola voasoratra anaty lisi-pifidianana ny anaranao”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny Ifi fa hatramin’ny faran’ny volana izao ny fe-potoana farany ahafahana misoratra anarana. Mbola manana andro maromaro ny rehetra hanamarinana sy hisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Antoka ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay mandray anjara feno amin’ny fifidianana ho avy eo izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Tsiahivina fa nitondra fanampiana ara-tsakafo, voatsirambin’ny tanana ny eo anivon’ny Ifi.
Synèse R.