Ceni: “Tsy ahina na atahorana ny tsy hisian’ny fifidianana”

“Hatramin’izao, tsy misy ny mety hoe ahiahy na tahotra ny tsy hisian’ny fifidianana. Ny tsara marihina: eo ihany ny vola, tsy hoe maivana. Ny fahaizantsika Malagasy ma­metraka ny rafitra isan-tsehatra miantoka ny fampahombiazan’ny fifidianana sy ny fandaminana takin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany no zava-dehibe.” Izay no valintenin’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, An­driamarotafika Soava.
Koa na manao ahoana na ahoana ny vola eo an-tanana, na kely na be: rehefa mipetrapetraka ireo rafitra sy lamina hanatanterahana ny fifidianana, tsy hampanano sarotra ny fiatrehana ny fanatanterahana izany. “Na ho azontsika avokoa aza ny vola maneran-tany, raha tsy mipetraka ny rafitra sy ny lamina enti-miatrika ny fanatanterahana ny fifidianana: zava-poana izany rehetra izany”, hoy izy.
Raha nangataka fihaonana tany amin’ny Ceni ry zareo mpiara-miombon’antoka, samy naneho ny fahavononany ha­nome tantsoroka ho amin’ny fa­natanterahana ny fifidianana. Na ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny alalan’ny Pnud izany, na ny Vondrona eoropeanina tamin’ny alalan’ny masoivohony, na ny Vondrona Afrika­nina (UA), na ny vondron-tany Sadc, na ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: