COVID-19 : marary iray namoy ny ainy

Tao anatin’ny herinan­dron’ny 14 ka hatramin’ny 20 janoary, namoizana ain’olona iray indray ny valan’aretina covid-19, teto Madagasikara. Nivoitra avy amin’ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka izany. Mbola misy olona dimy hafa koa marary mafy, arahi-maso akai­ky ny fahasalamany. 29 ny tranga vaovao tao anatin’ ny herinandro. Olona 321 nanaovana fitiliana, voaporofo fa mitondra ny tsimokaretina ny olona 29.
Tsy mbola foana araka izany, ny aretina. Mila mitandrina ny rehetra indrindra ao anatin’izao fotoana fivorivoriana mandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona izao. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana. Na any am-piangonana na any anaty fiara fitateram-bahoaka dia mila hamafisina ny fiarovana amin’ny arovava orona.
Mila hamafisina ny fanentanana fa goragora ny fampiharana ny fepetra, ankehitriny.

Tatiana A

Partager sur: