Na inona na inona mitranga sy atao amin’izao, voatsaran’ny sasany ambony ho misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa. Tandindomin’ny fifidianana? Velona ny hazakazaka amin’izany. Miseho lany ho azy etsy sy eroa ny fiteny amam-pihetsika feno fahitsihitsiana, fihantsiana, fanaratsiana Misy manao izay hankahalan’ny olona izay heveriny ho mpifaninana na mpifanandrina aminy, ohatra, ny sasany. Ny hafa manao izay hamotehana na hamonoana azy eo amin’ny tontolo politika.
Tsy mba izay tsara eo amin’ny tena lazaina sy tantaraina? Na tsy misy afa-tsy lafiratsiny eo amin’ny hafa. Tsy firy izay lafitsara eo amin’ny tena? Na misy aza, hita eny ihany ny marina sy izay mety ho fanitarana. Tsy izay asehony no tena maha izy azy ny olona, fa izay afeniny na iniany tsy aseho? Izay no manahirana sy mamitaka amin’ny fotoam-pifidianana toy izao. Mandeha avokoa na ny fandokadofan-tena na fanabokabokana ny hafa. Ny mahavalalanina, iray ihany ny hoe atao sy izay kendrena amin’izany.
Ny hahazoana fahefam-panjakana no anaovana fifidianana, araka izay safidin’ny maro anisa. Izay no hahazoana mampihatra ny foto-kevitry ny tena, ny vinam-piarahamonina, ny fandaharanasa…Fampandrosoana ny firenena sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Iza ary inona indray no mety hahavita izany? Na hafahafa kokoa noho ny teo aloha. Na izay nataon’ny tena io, na izay vitan’ny hafa. Lanja miakatra ny fiainana. Izay no ifaninanana. Mby amin’ny hoe marina, madio, mangarahara, eken’ny rehetra…
Nefa saika ny lafiratsin-javatra no omen-danja sy mibahan-toerana amin’izany rehetra izany. Izay tsy itoviana sy tsy mampitovy fijery no ifandrirotana sy iadiana lava, itarina sy ampitomboana an-toerana. Tsy misy azo iombonana sy mampiombona? Nefa misy ny fahavalo iombonana na eto an-toerana na avy any ivelany: fahantrana, fandrobana tany sy harem-pirenena afitsoky ny vahiny, tsy fandriampahalemana. Inona ary ahoana marina no iatrehana an’izany rehetra izany? Mbola fifampiampangana ihany ve no enti-miady sy mitady hibahan-toerana, fifanaratsiana, fifanomezan-tsiny… ?
Tsy lavina, ifanalana hazakazaka ny fakana fahefam-panjakana ary ifaninanana ny fifidianana. Dieny izao, ilaina ny fandinihan-tena hahitana ny hafa? Na ny fandinihana ny hafa hahitana ny tena. Mba ho fifidianana tsy ho famitahana.
R. Nd.