EST/UJT : manome lanja ny fanabeazana ho olom-banona

:Mampiavaka ny hetsika rehetra ataon’ny «Espoirs Sportifs de Tuléar» (EST)
sy ny «Union des Jeunes Tuléaroises» (UJT) ny fanaovana ho zava-dehibe ny fanabeazana ho olom-banona, ho an’ny ankizy, ny tanora, ny ray aman-dreny, izay hitondran’izy ireo fanohanana sy fanampiana.
“Misy foana ny fanoroana amin’ny hetsika toy izao mba hitondra fivoarana ho azy ireo”, hoy i Vital Serge. Manome lesona ho an’ny tomponandraikitra ihany koa ny fikambanana. Nomena sehatra bebe kokoa ny ankizy sy ny tanora mpanao fanatanjahantena izay tsy te hiditra klioba kanefa manana talenta mila trandrahana, ireo klioba matoritory, ireo fikambanam-behivavy izay tafiditra anatin’ny tanjona ny fiarovana ny zon’ny vehivavy. Nosinganina manokana ireo faritra tena marefo sy manana olana sy tao anaty hamehana. Mbola hotohizana avokoa izany hetsika izany, ka hisy ny fifaninanana “concours dessin”, hampisehoana ny fahitan’ny mpifaninana ny fivoaran’ny tanànan’i Toliary. Hitohy ny fanamboarana sy fanavaozana kianja. Hetsika hahafantarana ny EST hatramin’izay ny fananganana sy fanavaozana kianja filalaovana amin’ny taranja maro. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny malala-tanana avy eto an-toerana sy avy any ivelany, hanatanterahina ny tetikasa. Ankoatra izay, hitohy ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena ho an’ny klioba EST, amin’ny taranja rehetra toy ny basikety, Handball, baolina kitra, rugby ary ireo taranja vao nitsangana. “Tsy manana tanjona hafa ankoatra ny fampiroboroboana aho hatreto, mbola tsy hiditra amin’ny sehatra politika aloha fa fanatanjahantena sy sosialy iha­ny”, hoy i Vital Serge.

Mi.Raz

Partager sur: