Jiolahy voatifitra : saika handroba fitehirizana fitaovam-piadian’ny Tafika

Nirefodrefotra ny basy tao Analakininina Hopitaly be, omaly tamin’ny 04 ora maraina. Lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny efa namaky trano faninefany tao amin’io toerana io. Naheno feon-javatra hafahafa ireo miaramila mifanila-bodirindrina tamin’ny lasibatra ao anaty toby ka nivoaka. Tsi­karitr’izy ireo fa misy jiolahy efa teo ambony tamboho nananika ny andrin-jiro. Hi­hazo ny fitoeran’ny fitaovam-piadiana sy ireo zava-mora mipoaka ny tanjon’io olon-dratsy io. Nilatsaka tao anaty tokontany izy.
Niantso avy hatrany ny zandary teo anivon’ny kaompania sy ny vondro-tobi-paritra ao an-toerana ilay tompon-trano, raha nahatsikaritra izany. Tonga ara-potoana ireto farany ka niroso tamin’ny fisamborana. Tamin’io fotoana io indrindra, nikasa hananika ny fefy misy ny fitoeran’ny fitaovam-piadiana ilay jiolahy. Tsy maintsy nitifitra ny zandary, nanakana azy. Vokany, namoy ny ainy izy ity.

Efa mpamerin-keloka
Araka ny fanazavan’ny tompon-trano, efa inefatra nandroba tao amin’ny tokontanin’izy ireo ity jiolahy ity sy ny namany nanomboka ny volana janoary teo. Ny 3 janoary, voaroba ny gisa valo sy gana folo. Niverina indray ny olon-dratsy herinandro taorian’io.Very ny lamba fitafy sy ny kiraron’ny mpanofa trano. Tsy vitan’io anefa, nitam-pody ireo olon-dratsy roa andro taorian’io ka lasibatra ny moto roa. Ny 22 janoary kosa, tra-tehaky ny tompon-trano ity jiolahy ity rehefa zatra ny lalan-dririnina. Tsy nilefitra intsony, araka izany, ny mpitandro filaminana ka nitifitra azy avy hatrany rehefa nanao fihetsika hafahafa. Marihina fa tamin’io fotoana nitrangan’ny vaky trano omaly io, tokantrano miisa roa indray niharan’ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be.

Mila andrimasom- pokonolona
Anisan’ny miteraka fahasahiranana eo amin’ny mponina sy ny mpitantana ao an-toerana ny tsy fisian’ny andrimasom-pokonolona. “Olàna ny tsy faneken’ny sefom-pokotany hisian’ny andrimasom-pokonolona”, hoy ireo mponina ao an-toerana, nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana. Manahy amin’ny fahalalana diso tafahoatra ny fiarovana ny fidiran’ny olon-tsotra ao amin’ny toby fitoeran’ny fitaovam-piadian’ny tafika ao an-toerana koa izy ireo.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: