Mbola mitohy ny andro ratsy hatramin’ny alakamisy. Misy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra andrefana, afovoany andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatry ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina izany. Voakasik’ izany ny eo anelanelan’Analalava sy Morondava sy anelanelan’i Mahanoro sy Vangaindrano.
Hitohy hikija ny orana izay mety hahatratra 70 hatramin’ny 100mm/24ora amin’ny faritra afovoany andrefana, atsimo atsinanan’ny Nosy ary ny faritra sasany amin’ny afovoan-tany. Hatramin’ny alakamisy izao no heverina hisian’ny rotsakorana matevina.
Hiteraka rano mihandrona, fiakaran’ny renirano, ranotrambo, fihotsahan’ny tany izany amin’ireo toerana atahorana. Anisan’ny voakasin’ity oram-be ity ny distrikan’i Ambanja, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Miandrivazo, Belon’ i Tsiribihina, Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano, sy ny distrika rehetra ao Boeny, Melaky, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga.
Mila miakatra haingana amin’ny toerana azo antoka ireo olona mipetraka amin’ny faritra marefo.
Hiakatra be Betsiboka
Nahatratra 4,20 m. 3,40m, omaly ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4). Niakatra ho 0,35m kosa ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’Ikopa ao Antafia (akaikin’i Maevatanana) hatry ny omaly maraina. Mihatra avy hatrany ny filazana miloko mena na filazana loza mihatra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ireo toerana manamorona ny reniranon’i Betsiboka manaraka:Ambatoboeny, Marovoay, Madirovalo ary Marolaona.
Tatiana A