Midina tsikelikely indray ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny euro, nanomboka ny herinandro lasa teo. Nisanda 4.602 Ar ny 1 euro ny zoma 20 janoary teo, raha 4.618 Ar ny 19 janoary.
Nanomboka nitotongana ny vola malagasy ny herinandro farany ny 20 desambra 2022, nahatratra 4.671 Ar. Niha-nihena ny lanjany ny 2 janoary 2023, lasa 4.749 Ar, nitohy ho 4.820 Ar ny 10 janoary. Sanda ambony indrindra ny 11 janoary, izay tafakatra 4.826 Ar. Nidina tsikelikely ho 4.797 Ar ny 12 janoary ary izao nitohy ho 4.600 Ar izao ny zoma teo.
Manaraka izay onja izay koa ny dolara, ka misanda 4.271 Ar ny 1 dolara ny 20 janoary teo, raha efa 4.507 Ar ny 11 janoary teo.
Njaka A.