Rivodoza Cheneso: telo maty, tafiakatra enina ny olona tsy hita popoka

Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Cheneso tamin’ny faritra maro eto Madagasikara. Mahatratra 6 ireo olona tsy hita popoka, olona telo hafa maty. 7.240 ireo traboina. Ranobe mangeniheny ao Mahajanga sy amin’ny tanàna maro.

Mitohy ny fanagonana ny vokatry ny fahapotehana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara izay tanterahin’ny BNGRC. Raha ny tatitra omaly tamin’ ny 5 ora hariva, tafiakatra enina ireo olona tsy hita popoka nentin’ny rano. Olona telo hafa maty, vokatry ny tondra-drano, ankizy ny iray ta­min’ireo. Miisa 7.240 ny olona traboina. Anisan’ny be indrindra amin’ireo ny ao amin’ny faritra Boeny sy Befandriana Avaratra ary Mananjary.
Ankoatra izay, ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa maro tamin’ny faritra tena voa­mafy, toy ny any Analan­jirofo sy Vatovavy, Boeny sy Sofia ary Analamanga. Mi­tontaly 3.985 ireo trano dibo-drano tanteraka. Roa ny trano rava tsy azo honenana intsony.
Mahatratra 600 Ha ny tanimbary safotry ny rano ka simba ao ny vary. Manginy fotsiny ny fahavoazan’ny lalana sy fihotsahan’ny tany, miteraka fanelingelenan’ny fifamoivoizana. Misy ny lalana tapaka tanteraka, miato ny fifamoivoizana amin’ny toerana sasany.
Dibo-drano i Mahajanga
Namela takaitra mavesatra ao Mahajanga ihany koa ny rivodoza Cheneso, ny faran’ ny herinandro teo. Nikija tanteraka ny orana. Dibo-drano avokoa ny faritra iva, toy ny fokontany Fiofio sy Tsararano ary Ambalavola.
Namoaka filazana ny tompon’andraikitra any an-toerana fa miato ao anatin’ny telo andro ny fampianarana ma­no­m­boka anio hatramin’ny alarobia.
Tafiakatra an-tampontanàna ny rano, mbola mitohy ny orana hatramin’ ny omaly izay vinavinain’ny mpamantatra ny toetry ny andro tsy hitsahatra raha tsy amin’ny alakamisy.
Omaly, tapaka koa ny lalana teo amin’ny lalam-pirenena fahaefatra eo Tanambao Am­bovondramanesy noho ny fiakaran’ny rano. Tsisy afaka nandeha ny fiara satria mahery ny tosiky ny rano.

Tatiana A

Partager sur: