Nankalazaina omaly ny taom-baovaon’ny sinoa. Nifarana ny taonan’ny tigra. Miditra amin’ny taonan’ny bitro ny taona vaovao 2023 ho azy ireo. Nomarihan’ ireo teratany sinoa mipetraka eto Madagasikara, mpampianatra sy mpianatra mandalina ny teny sy ny kolontsaina sinoa ny fitsenana izany, ny Asabotsy lasa teo. Notanterahana teny amin’ny kianja manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny hetsika nanamarihana izany. Toy ny dihin’ny dragona sy ny liona izay, tena mampiavaka ny fankalazana. “Faniriana ny mba hitondra fahasambarana, fifaliana, fiadanana ary fahombiazana ny taona vaovao”, hoy ny mpampianatra teny Sinoa eny amin’ny Confusius, Sylvianna CHUE NOE. Misy dikany avokoa ny zavatra atao rehetra mandritra izany, toy ny sakafo, ny loko ary ny haingo isan-karazany. Maro ireo teratany sinoa sy solontenam-panjakana tonga nanatrika ny lanonana.
Niainga avy amin’ny angano notantaraina mikasika ny biby ny hetsika sy ny fomba nankalazana.
Mino (mpianatra asa)