Taranja hifaninanana : miisa 6 ireo vaovao hiadiana volamena

Mahatratra 23 ny isan’ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana mandritra ity andiany faha-11, ity. Miisa 6 ireo vaovao hiadiana medaly volamena amin’izany. Anisan’izany, ny Tir à l’arc, ny beach soccer, ny sport equestre, ny basikety lalaovina olona 3, ny kick-boxing ary ny surf.
Araka ny fandaminana, handray ny beach soccer sy ny beach volley ary lomano sy ny volley-ball miampy ny tae-kwon-do sy ny karate ny faritr’i Boeny. Hatao any Ste Marie kosa ny Voile ary any Fort-Dauphin ny Surf. Ankoatra izay, hijanona eto an-drenivohitra avokoa ireo taranja sisa ambiny. Ao amin’ny kianja Barea sy Alarobia, ny atletisma sy ny “handisport”. Eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny basikety. Ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fibatana fonjamby sy ny judo. Ao amin’ny kianja Barea sy eny Vontovorona ny baolina kitra. Any amin’ny Complexe sportif Vontovorona ny handball, ny ady totohondry, ny kick-boxin, ny badminton ary ny tir à l’arc. Eny amin’ny kianja Fitaratra ny tsipy kanetibe ary eny Andohatapenaka ny rugby. Acsa Ambohidahy ny tenisy ary eny amin’ny Cot Ilafy ny sport equestre. Ny efitrano kelin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny Lutte.

Partager sur: