Mikisaka mihazo ny faritra atsimo indray ny dian’i Arnito, ilay kalazalahy frantsay eo amin’ny tontolon’ny fitendrena gitara. Taorian’ny hetsika maro isaky ny karazany avy teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Ny mpankafy gitara manomboka eo Ambositra sy Fianarantsoa ary Toliara indray no hahazo ny anjarany avy amin’i Arnito. Hetsika karakarain’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture na ANAC.
Fahombiazana hatrany no azon’ny rehetra niatrika ny fampiofanana sy atrik’asa nataon’i Arnito, nokarakarain’ny ANAC. Ho an’ny ao Ambositra, ny 25 janoary 2023, ao amin’ny DRCC Amoron’i Mania. Ho an’ny ao Fianarantsoa, ny 28 janoary 2023, ao amin’ ny DRCC Matsiatra Ambony. Ny 11 febroary 2023, ao amin’ ny DRCC Atsimo Andrefana kosa ny an’ny ao Toliary.
Maimaimpoana tanteraka ary natokana ho an’ny efa mahay gitara ity fanpiofanana sy atrik’asa ity araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Maro ny efa nahazo tombony tamin’ity atrik’asa sy fampiofanana ataon’i Arnito eto Madagasikara ity. “Tombony lehibe ny fifanakalozana amin’ny olona manana ny maha izy azy eo amin’ity tontolo ity. Mbola maro ny zavatra tsy fantatra na dia efa ela nandalinana ihany aza” hoy i Zo isan’ny niatrika ny fampiofanana sy atrikasa teto Antananarivo. Gadona maro toy ny flamenco, ny jazz sy ny acoustique, izay tena manavanana an’i Arnito no tena hifampizarana sy hiofanana mandritra ireo fotoana ireo.
Lin (Mpianatra asa)