Saron’ny zandary tao Isoanala, ny alakamisy atoandro teo, ny fiarabe miisa roa nitondra vato 20 taonina. Avy any amin’ny faritra Bekily, nikasa hihazo ny renivohitra ireto kamiaobe nitondra vato indostrialy ireto. Tsy nanana taratasy mazava ny entana noentina rehefa natao ny fisavana. Karazam-bato “labradorite” ity notanterina antsokosoko ity. Tsy nisy afa-tsy rosia nandoavana “ristourne” tao amin’ny faritra ny alarobian’io ihany no tany amin’ny mpamily. Nandritra ny fanadihadiana, nilaza izy fa horaisina any amin’ny tompony ao Betroka ny antontan-taratasin’ireto entana ary hoentina any Antananarivo. Nandritra izay, niantso an-telefaonina ny tompon’entana ka nilaza fa nangalarin’olona tao amin’ny karieran’Antsohamamy, kaominina Benonoka, distrika Benenitra ireo vato sarona. Araka izany, “nanamafy ilay tompon’entana fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny “police des mines”” , hoy ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Anosy, mandray an-tanana ny famotorana.
Henintsoa H.