Tsy misy vola aloha intsony na ariary aza manomboka izao fa maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina CEPE sy BEPC. Io ny fanapahan-kevitry ny fitondrana, taorian’ny fangatahan’ny fiombonan’ny sekoly tsy miakina manerana ny Nosy amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana ny vola takin’ny foibem-panadinana. Tsy maintsy mitondra vakiraoka kosa ny mpiadina rehetra, ampiasaina mandritra ny fanadinana roa voalaza raha ny foibem-panadinana no mizara izany teo aloha. Samy nanana ny sora-bolany, 1000 Ar ka hatramin’ny 3000 Ar isaky ny mpiadina no notakiana ka nahatonga ny sehatra tsy miankina nanao antso tamin’ny minisitera mpiahy. Kajin’ ny vola ilaina amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny foibem-panadinana tsirairay no nahatonga io tsy fitoviana io. Nanomboka omaly ny fandraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana ho an’ny fanadinana CEPE ary hifarana ny 30 marsa ho avy izao. Hosantarina ny alatsinainy 30 janoary kosa ny an’ny fanadinana BEPC, hikatona ny 31 marsa izany. Ao anatin’ny roa volana fahatelo ny taom-pianarana 2022-2023 amin’izao fotoana izao, izay herin’ny fandaharam-pianarana.
Vonjy A.