Manohy ny diany any amin’ny dingana ampahefa-dalana ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan Algerie 2023”. Resin’i Madagasikara teo amin’ny andro fahatelo sady farany i Soudan.
Nanakoako tao amin’ny kianja Mohamed Hamlaoui Algerie, indray ny lazan’ny Barea, omaly alatsinainy. Tafita amin’ny lalao ampahefa-dalana ry zalahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Nomontsanin-dry zalahy, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 i Soudan teo amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “C”.
Naneho fahavononana hatrany am-boalohany ny Barea. Porofon’izany, vao 13 mn nilalaovana dia efa nampiditra ny baolina voalohany, i Tsiry Kely. Nanomboka very ny fanantenan’ny Sodane, izay tsy nahavita fanafihana mihitsy. Mbola nampian’i Koloina ny isa, teo amin’ny minitra faha-30. Nitarika 2 no ho 0 ny Barea. 4 mn taorian’izay, tafaporitsaka i Jean-Yves, izay nanome baolina ho an’i Lalaina ary nampiditra ny baolina fahatelo. Nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa 3 no ho 0 io.
Fizaram-potoana faharoa, tsy nanao ezakabe intsony ny Barea fa nanodina baolina fotsiny. Niezaka nanafika ny Sodane saingy voasakan’i Nina, mpiandry tsatoby malagasy. Tsy nisy intsony ny baolina maty. Hidona amin’i Mozambika ny Barea, eo amin’ny ampahefa-dalana, ny asabotsy ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Constantine. Nahazo 60 tapitrisa Ar avy amin’ny federasiona ry zalahy, taorian’ity fandresena azony ity. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Koloina na Rakoul. Nahavita ny dingana vitan’ny Barea “A”, tamin’ny Can 2019 ihany koa izany ireto Barea zandriny, ireto.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo ekipa efa tafita amin’ny ampahefa-dalana
1-Algérie ; 2-Mozambique ; 3- Sénégal ; 4-Côte d’Ivoire ; 5-Ghana ; 6-Madagascar
Lalao ampahefa-dalana
Zoma 27 janoary
Kianja Nelson Mandela Baraki
10 : 00 -Algerie (1è A) vs Cote d’Ivoire (2e B)
Kianja Annaba
11 ; 00 – Senegal vs (1er B) vs (1er D)
Sabotsy 28 janoary
Kianja Constantine
07 : 00 – Madagascar (1è C) vs Mozambique (2e A)
Kianja Oran
10 : 00 – (1è E) vs Ghana (2e C)