Efa noravaravana: tratra tao an-tranon’ireo jiolahy ny moto halatra

Mirongatra ny halatra moto ao Toamasina amin’izao. Telo lahy no indray saron’ny polisy tao an-toerana afakomaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisehoana halatra mi­haro vaky trano tao amina tokantrano iray ao Toamasina. Jiolahy maromaro no tompon’antoka tamin’izany. Entana maro samihafa no lasan’ireo mpanafika nandritra ity fanafihana ity. Nentin’izy ireo koa ny motoan’ilay tompon-trano. Nitsoaka avy hatrany ry zalahy taorian’izay. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisin’ny Sut Toamasina ireo niharan’ny fanafihana. Nandray ny andraikiny ny polisy nanao ny fikarohana. Fantatra araka izany ny toerana nieren’ireo jiolahy. Niroso tamin’ny fi­samborana ny polisy ka tratra tao Ankirihiry ny jiolahy telo tompon’antoka tamin’ity ha­latra ity. Hita tao an-tranon’izy ireo ilay moto nangalariny izay efa noravaravana, saingy fantatry ny tompony ihany. Mitohy, ny fikarohan’ny polisy ny naman’ireto jiolahy tratra ireto. Toerana ifamezivezena moto rahateo ny ao an-drenivohitry ny Faritra Atsi­nanana ka antony mahasarotiny ireo polisy amin’ny fisavana azy ireny.

Jean Claude

Partager sur: