Fa misy inona ? Tsikaritra ho midina andro aman’alina ny fahaizan’ny Malagasy mandray zavatra. Ilay saina mahataka-davitra fahiny mihitsy no mitambotsotra tsikelikely, ankehitriny. Vokatry ny fanabeazana tsy mandeha amin’ny laoniny sady tsy mifanentana amin’ny kolontsaina malagasy no niteraka io olana goavanabe any amin’ny fiarahamonina io. Raha manao ho zava-dehibe ny hasin’ny aina ny malagasy taloha, amin’izao vanim-potoana izao kosa, mipoitra ny ampahana Malagasy maty eritreritra. Mamono sy mandatsak’aina, sns.
Mitady hahazo vahana eny amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny herin’ny sandribe sy ny vola ary ny fahefana. Izay manam-bola no manana ny rariny. Ny tompon’ny fahefana tsy mba mety diso sady manana ny marina sy ny rariny lalandava. Ny manam-bola tsy mba meloka… Tsy tokony ho tonga amin’ireo anefa ny fiarahamonina malagasy raha toa ka nobeazina tamin’ny kolontsainy ny tsirairay.
Raha noranintina tamin’ny alalan’ny angano, ankifidy, ankamantatra, tantara, fomba amam-panao, tenin-drazana, kolontsaina, sns, malagasy ny taranaka taty aoriana, tsy hahazo vahana ny zava-mamoehitra tahaka ireo. Anisan’ny lesoka lehibe amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ny fanaovana tsinontsinona ny an’ny tena. Volena an-kolaka sy mivantana ao amin’ny taranaky ny Malagasy ny fanivaivana ny momba azy rehetra. Atao izay ahasahirana ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny mba tsy ahavitany manabe araka ny tokony ho izy ny taranany…
Mila mailo tanteraka ny rehetra. Raha izao no mitohy, ao anatin’ny taona vitsy, ho lasa vahiny eto an-tanindrazany ny Malagasy satria nanjary nivadika fahalemena sy « bemanaiky » ho an’ny Malagasy sasany ny zava-misy. Tsy iandrasana fanampiana avy any ivelany, ohatra, ny filazana amin’ny taranaka malagasy fa « an’ny Malagasy i Madagasikara sy ny momba azy rehetra ». Tsy iandrasana tetikasa vatsian’ny vahiny vola ny fanabeazana ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora, amin’ny famerimberenana fa : « manan-kasina ity tany ity », « ny hery tsy mahaleo ny fanahy »…
HaRy Razafindrakoto