Vaovao mahafinaritra no nomen’ny Alliance Française Madagascar ny mpanaraka azy sy ny mpankafy sarimihetsika ao anatin’izao taona vaovao izao. Naverina indray ny hetsika “Cinem’alliance” raha tsy nisy nandritra ny 4 taona teo ho an’ny teto Madagasikara. Ny tolakandron’ny Alarobia sy ny asabotsy no fanatanterahana ny hetsika tamin’izany. Ho an’ity fiverenany ity, indrindra ho an’ny eto Antananarivo. Ny alarobia 25 janoary 2023, amin’ny 1 ora sy 30 minitra tolakandro no hanombohan’ny hetsika. Ny sarimiaina “Oups! J’ai raté l’arche” no hanomezana fahafaham-po ny ankizy. Araka ny fandaminan’ny tompon’andraikitra. Natokana ho an’ny ankizy ny andron’ny alarobia. Ny asabotsy kosa no natao ho an’ny olon-dehibe. Sarimihetsika sy sarimiaina amin’ny teny malagasy sy vahiny. Ireny no mifandimby hanomezana fahafaham-po ny mpanaraka sy mpankafy.
Maimaimpoana tanteraka ny hetsika saingy voafetra ny toerana. Tanjon’ity ivontoerana ity ny fampiroboroboana ny tontolon’ny kolontsaina sy fitaizana ny olom-pirenana amin’ny alalan’ny karazana kolontsaina maro isaky ny karazany avy.
Lin (Mpianatra asa)