Fanondranan’olona antsokosoko: olona valo naiditra am-ponja

Ravan’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be ireo andian’olona saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Mbola misy ireo karohina sy voasaringotra amin’ity raharaha ity.

Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotry ny zandarimaria tao Nosy Be raha saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Voasam­botra ny 14 janoary teo izy ireo ka natao fanadihadiana ary izao naiditra am-ponja izao daholo. Tsiahivina fa nipetraka tamina trano iray tao amin’ny fokontany Dza­mandzar ireto mpifindra monina ireto ary niandry ny fotoana handehanany. Tratra niaraka tamin’ireto mpiondrana ireto koa ny roa lahy mpikarakara ny dia sy ireo mpampiantrano. “Efa nahazoan’izy ireo vola 3 ka hatramin’ny 13 tapitrisa Ar ireo mpiondrana ireo raha saika hiala ny 22 desambra lasa teo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Nambarany fa mbola karohina kosa i Black, isan’ny mpikararaka ity dia antsokosoko ity. Etsy ankilany, nanamafy ny mpitandro filaminana fa miverina indray ny fiaingana antsokosoko avy ao Nosy Be mihazo ny Nosy Mayotte. Nangingina izany ny taona 2022 teo noho ny fanadihadiana sy fisamborana nataon’ny zandary.
Ankoatra izay, voasambotra sy naiditra am-ponja ihany koa ireo dimy lahy mpanao sinto-mahery ikoizana ao Nosy Be. Misy andian’olona maromaro mampihorohoro ny mponina ao Dzamandzar sy Ambondrona, hoy ny zandarimaria. Mandrava poketra sy finday ireo olon-dratsy ka tonga hatramin’ny vaky trano ny asa ratsy ataony. Araka izany, natao ny vela-pandrika ka rava ity tambajotran-jiolahy ity raha mbola karohina kosa ireo namany roa lahy hafa.

Henintsoa H.

Partager sur: