Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany.
Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina ihany koa ny fanomezana fahefana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tokony. “Tokony homena fahefana hampiasa ny volam-panjakana ihany koa ireo tomponandraikitra isan-tokony. Anisan’ny foto-kevitra ijoroan’ny MMM amin’ny alalan’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy izany”, hoy izy nitafa mivantana tamin’ireo vahoaka sy ny mpikamban’ny antoko amin’ireo faritra ireo. Notsindriny fa foto-pisainana sy fomba fiasa, ampandraisana anjara ny mpisehatra rehetra eny ifotony ny fitsinjaram-pahefana ho entin’ny MMM.
Tantely afa-drakotra ny volam-panjakana
Tsy afaka iandrasana sy antenaina amin’olon-tokana ny fandrosoana fa fiaraha-mientana sy fandraisan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa nanjakan’olom-bitsy ny tombontsoa azo avy amin’ny volam-panjakana raha tokony hositrahan’ ny vahoaka izany. Nanjaka ihany koa ireo karazana kolikoly maro samihafa nambotry ny firenena. “Mila politika sahisahy sy hentitra ny fitantanana ny firenena indrindra fa amin’ ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa zava-dehibe ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana. Fototra iray lehibe tsy nampandroso ny firenena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka, ka tokony ho hentitra ny fitantanan-draharaham-panjakana ary mazava ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny volam-panjakana eo anivon’ny sampandraharaha isan-tokony.
Governora, tsy voafidim-bahoaka
Nambarany anefa fa ilaina hajaina ny lalàna mba hipetrahan’ny fitsinjaram-pahefana.
Ankoatra izany, nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM ho anisan’ny vato misakana ny fampandrosoana matetika ireo olom-boatendry isan-tokony toy ny governoram-paritra. Anisan’ireo tsy voafidim-bahoaka ka tsy mahalala ny tena filàna eny ifotony izy ireo.
Etsy andaniny, mila mitondra vahaolana mifandraika amin’ny olana misy ny mpitondra mba hisian’ ny fampandrosoana. Ilaina ny fanomezana fahefana ireo tomponandraikitra isan-tokony ahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny asa tandrify azy. “Tsy vitan’olon-tokana na antoko iray ny fampandrosoana ny firenena fa mitaky fifanomezan-tanana avy amin’ny isambatanolona”, hoy izy.
Synèse R.