Hotanterahina eny amin’ny EKAR Faravohitra, ny tolakandron’ny talata 24 janoary 2023, ny “135ème Classique de Midi”. Hetsika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Mandray anjara amin’izany ireo andrarezin’ny fitendrena zava-maneno klasika. Isan’izany i Miravo Ramarolahy. Seho goavana eo amin’ny tontolon’ny fitendrena zava-maneno klasika no ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io. Hanakoako eny an-toerana ny feona “Orgue” sy “Trompette” ary “Saxophone” miangaly ny sanganasan’i Johann Sebastian sy ry Henry Purcell. Hizara roa ny seho. Ny tapany voalohany, handrenesana ny sanganasan’i Johann Sebastian Bach ranoray. Ny tapany faharoa kosa ny hiangalian’ny ekipan’i Miravo Ramarolahy ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika sasany sahala amin’i Henry Purcell, Hubert Parry, Edward Elgar, Théodore Dubois, Johannes Brahms, Jeremiah Clarke. Efa vonona tanteraka ny mpandray anjara sy ny mpikarakara amin’ny fanomezana ny tsara indrindra ho an’ny mpijery.
Lin (Mpianatra asa)