Nifarana ny asabotsy lasa teo, tany Congo Brazzaville ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly, taranja handball “IHF Trophy”, sokajy U18 sy U20 zazalahy. Tsy niveri-maina ny Akio de Madagascar, teo amin’ny sokajy “junior” fa nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (CAHB), ho an’ny ekipa malagasy ny amboara “Fair-Play”. Noho ny fomba filalao madio sy ny fahaizana manaja ny mpifanandrina no nahazoana izany.
Ankoatra izay, fandresena 1 tamin’ireo lalao dimy nataony no vokatra azon’ny Akio de Madagascar, tamin’ity IHF Trophy Continental, ity. Raha tsiahivina, resin’i Rwanda, tamin’ny isa 50 no ho 29 teo amin’ny andro voalohany. Lavon’i Nizeria, 51 no ho 30 indray nandritra ny andro faharoa. Niondrika teo anatrehan-dry zareo mpampiantrano, tamin’ny isa 43 no ho 19 teo amin’ny andro fahatelo. Nanilika an’i Zimbaboe, kosa ho an’ny andro fahefatra ary resin’i Guinée, tamin’ny isa 52 no ho 32 teo amin’ny lalao farany. Nametraka ny Akio, teo amin’ny laharana fahadimy, izany.
Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny “cadet”, i Nigeria raha lasan’i Zambie ny amboara “Fair-play”. Voalohany teo amin’ny “junior” kosa i Guinée.
Araka izany, hisolo tena an’i Afrika any amin’ny IHF Challenge Trophy Mondial, tanterahina any Costa Rica, ny volana marsa ho avy izao, i Nigeria sy i Guinée.
Tompondaka