Tsy mampino ny zava-bitan’ny olon-dratsy. Lehilahy iray no tratra ambodiomby nanolana vehivavy iray omaly atoandro, tao Andakabe Morondava.
Niditra an-keriny tao an-tranona vehivavy iray 20 taona ity lehilahy ity. Avy eo notereny hiray aminy io. Tsy nanaiky anefa ilay tovovavy ka norahonany ho faty mihitsy ka notolominy tamin’ny sitrapony. Nandritra izay, nikiaka niantso vonjy ilay niharam-boina ka tonga namonjy azy ny fokonolona. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay lehilahy ka noentina teny amin’ny biraon’ny fokontany. Taorian’io, noentin’ny mpitandro filaminana izy natao fanadihadiana. Ankoatra ity, miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’Ambatolampy nanomboka ny zoma teo koa ilay raim-pianakaviana iray. voatondro ho nanolana ny zanany vavy izy io. Ny alarobia teo, tonga teny amin’ny biraon’ny zandarimaria ao Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina ilay tovovavy 17 taoana nitaraina ny nahazo azy. Nilaza izy fa ny rainy niteraka azy ihany ity nahavanon-doza nanararaotra azy nandritra izay telo taona izay. Ankehitriny niteraka zazalahikely telo taona ity tovovavy ity. Mpivarotra mangidy ao Ambolotara, fokontany Antevana sady malaza ho mpilalao ody gasy io raim-pianakaviana. Natahotra azy, noho izany, ilay zanany vavy. Matahotra ihany koa ny fiaraha-monina ka tsy sahy nitoroka ny raharaha teny anivon’ny mpitandro filaminana. Etsy ankilany, maro ireo olona nanamarina sy nijoro vavolombelona tamin’io tranga mamoafady vitan’ity lehilahy ity io. Anisan’izany ramatoa vadiny sady renin’ilay zanany nanaovany ity zava-doza ity. Taorian’izay, nisokatra ny fanadihadiana, voasambotra nanaraka izay ilay lehilahy. Niakatra fampanoavana ny zoma lasa teo ny raharaha.
Henintsoa Hani