Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora teny Fasika Ankadimbahoaka, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina iny ry zalahy ireo. Maro ireo fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ny jiolahy manao ny asa ratsiny eny an-toerana. Nisy, araka izany, ny hetsika nataon’ny polism-pirenena mba ho fampandriana fahalemana sy famongorana ireo jiolahy raindahiny mampikaikaika ny maro. Nahitam-bokany izany satria jiolahy roa no tratra niaraka tamin’ny sabatra tamin’io fotoana io. Mandrahona hanindrona sy hamono mihitsy ry zalahy rehefa tsy manaiky manome ny zavatra tadiaviny ireo olona endahiny. Raim-pianakaviana iray hody eny Namontana no nifanehatra tamin’izy roa lahy. Lasan’izy ireo ny finday sy ny vola 1 hetsy Ar. Nifanehatra tamin’ireo polisy niasa teo amin’ny manodidina anefa ry zalahy rehefa avy nanendaka ka noraisim-potsiny. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny finday.
Jean Claude