PDCM – Rapetera Désiré : “Ilaina apetraka ny fahamarinana”

Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpano­renana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny An­tsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy hatrany izy.
Mitsipaka ny rafitra ma­natanteraka ny fifidianana izy ireo. Tsy manana fahaleovan-tena izany satria tsy misy solontenan’ny Ceni na iray aza ao anatin’ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Vokam-pifidianana miainga avy any amin’ny SRMV, baikon’ny ministeran’ny Atitany no mivantana any amin’ny Ceni foibe fa tsy vokatra azo any amin’ny birao fandatsaham-bato.
Soso-kevitry ny antoko, ny hanovana io rafitra io ka takin’izy ireo ny iandraketan’ny Ceni manontolo ny raharaham-pifidianana rehetra ao anaty biraom-pifidianana. Antony, ny mba hisian’ny vokatra madio sy marina. Fotoana nandinihan’izy ireo ny raharaha tokantranony, ny raharaham-pirenena ary ny iraisam-pirenena ihany koa io. Miady amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ny tanjon’ny antoko.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: