Raharaham-barotra: mitaky rafitra manokana ireo sendika

Mitaky rafitra manokana mba hisahana ny varotra sy ny fanjifana ireo sendika sy vovonana eo anivon’ny departemanta. Maniry ny hitovy lanja amin‘ny mpiasam-panjakana rehetra ireo teknisia­nina eo anivon’ny ministera raha mieritreritra hanova ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpitondra. Noho izany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Analakely izy ireo ny zoma lasa teo. Nilaza izy ireo fa tsara lavitra ny asa vita raha misy ny rafitra manokana sy mazava misahana ny raharaham-barotra.
Nambaran’ireo sendika sy vovonana ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanji­fana, fa « tsapa ny vesatra ateraky ny rafitra manatanteraka ny fanaraha-maso ny raharam-barotra eo anivon’ ny ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana. Sahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana maitsoahitra izao. Tsy ampy ny famokarana eo amin’ny lafiny varotra anatiny. Marefo ny varotra ivelany ka mahatonga ny sandam-bola miiba eto amin’ny Nosy », hoy ny fanazavan’izy ireo.
“Mangataka fihaonana sy fifampidinihana amin’ny mpitondra izahay mba hamahana ny rafitra misy ankehitriny”, hoy ny filohan’ny sendikan’ ny vovonana eo anivon’ny departemanta misahana ny raharaha ara-barotra, Rakoto­malala Ermenezilde. Tanjona ny hampiroborobo ny raharaham-barotra mba hitsinjo­vana ny mpanjifa.

*
Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: