Rajaonarimampianina Hery : “Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ny vahoaka”

“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajao­na­rimampianina Hery, niainga avy any Paris, Frantsa, ta­min’ireo mpiara-mikatroka any Antsirabe, faritra Vaki­nankaratra, ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany tamin’izany fa anjaran’ny eo anivon’ny antoko ny miaro ny demokrasia izay mifototra amin’ ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanajana ny fahalalahana, ny fanajana ny tany tan-dalàna.

Mila fanarenana ny toekarena

Anjaran’ny fanjakana ny mametraka maodelim-pampandrosoana iankinana aorian’ny covid-19, momba ny toekarena sy ny lafiny sosialy. Tsy ny fiatrehana ny aretina intsony ny mampatahotra ny olona, fa rehefa afaka ny aretina: inona no hanjo sy hatrehina? Ma­zava fa io iaraha-mahita sy miaina io ny toekarena amin’izao.

“Tsy afa-kanilika an­draikitra isika fa avy amin’ ny aretina ihany, avy amin’ ny loza voajanahary, avy amin’ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia”, hoy izy. Betsaka ny firenena niharan’izany, nefa tafarina ary mijoro ara-dalàna ny toekarena sy ny sosialy any aminy izao.
Miantso ny mpiara-mi­katroka hijoro amim-pahasahiana ary tena tsy amin-tahotra amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao izy.

R. Nd.

Partager sur: