Sehatrasa misy tolotra: tsy ampy manam-pahaizana manerana ny Nosy

Tsy mitsahatra mitombo ny tahan’ny tsy an’asa eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina afaka miasa ny tolotr’asa. Mahazo vahana hatrany noho izany ny tsy manara-dalàna (informel) amina sehatra maro.

Hatramin’ny 80 % amin’ ny olona afaka miasa no tsy an’asa eto an-toerana. Maivana ny tolotr’asa eto an-toerana, tsy misy afa-tsy 3 % na 4 % ho an’ny tanora, ary 1,5 % ny tolotra ankapobeny manerana ny Nosy.
Fantatra izany tamin’ny fanambarana ireo sehatrasa misy, indrindra ireo sehatra mila olona betsaka eto Mada­gasikara. Fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Asa tamin’ny taon-dasa, ny hafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ izay safidy tokony hatao sy fiofanana harahina.
Laharam-pahamehana amin’ireo sehatrasa ireo ny teknolojia momba ny fifandriasan-davitra sy fampahalalam-baovao (TIC). Fanore­nan-trano sy asa vaventy, fizahantany, trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana, sy mahakasika ny tontolon’ny fitafiana.
Tsy ampy manam-pahaizana amin’ireo sehatra ireo, nefa be ny tolotr’asa. Mitombo ny isan’ny mponina afaka mi­asa mitady izay mety aminy, saingy tonga any amin’ny tsy fananan’asa ny maro. Mitombo manaraka izany koa ny fihariana tsy manara-dalàna, in­drindra amin’ny varotra.
Manomboka izao, manana fitaovana handraisana fanapahan-kevitra sy fiofanana mila harahina ny tanora, araka ny tsenan’asa misy. Amin’izao fotoana, matetika tsy mifanaraka ny fiofanana misy sy ny tolotr’asa. Any amin’io fiofanana na fianarana momba ny asa atao io, fahazarana fotsiny ny an’ny mpampiofana, ary tsy tena mijery ny ho aviny ny ankamaroan’ny tanora.

Ndrina

Partager sur: