Tatitra- BNGRC : olona telo maty lasan’ny rano

Olona telo maty lasan’ny rano nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Tao amin’ny faritra Analanjirofo sy Sava izy ireo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny BNGRC, omaly. Nahatratra 14 ny olona tsy hita popoka lasan’ny rano tao anatin’ny faritra miisa valo ka anisan’izany teto Analamanga. Fito amin’ireo mbola tsy naharenesam-baovao hatreto. Miisa 17129 ireo traboina tao anatin’ireo faritra maro manerana ny Nosy izay voakasiky ny rivodoza. Mahatratra 5399 ireo fotodrafitrasa simba nandritra izany. Nahatratra 8334 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana vokatry ny tondra-drano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana tao anatin’ny kaominina miisa 16. Na­hatratra 19 ireo lalana tapaka vokatry ny tondra-drano sy fiakaran’ny rano manerana ireo faritra valo. Lalana miisa 14 tamin’ireo mbola tsy azo aleha hatramin’izao raha ny tatitra voaray hatrany. Efa azo nandehanana ary niverina amin’ny laoniny nanomboka ny 20 sy 21 janoary lasa teo ireo lalana miisa dimy tamin’izany. Ankoatra ny lalana tapaka, miisa telo ireo tetezana mampitohy toerana samihafa tapaka tao anatin’ny faritr’i Boeny, Analanjirofo ary Betsiboka.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: