Notanterahina omaly alatsinainy 23 janoary teo, ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fifaninanana taranja Tenisy “Grand Chelem Open d’Australie” any Melbourne. Mamiratra sy higagan’ny olona rehetra any an-toerana ny zava-bitan’i Novak Djokovic, mpilalao Serba. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/2, 6/1, 6/1) i Alex De Minaur, mpilalao Aostralianina.
Marihina fa nataon’ity mpilalao fahadimy eran-tany amin’ny taranja Tenisy ity afa-baraka tanteraka teo amin’ny kianjany i Alex De Minaur. Antony, “4 jeux” ihany no azon’i Alex nandritran’ny fihaonana. Ary tsy nahazo “balle break” mihitsy i Djokovic.
Tsiahivina fa 35 taona i Djokovic na i Mister Grand Chelem, ary nampanantena ny mpakafy azy rehetra ny tenany fa hiezaka ny hanome ny tsara amin’ity fifaninanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)