Tranoben’ny tantsaha: miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Miezaka amin’izao fotoana ny Tranoben’ny tantsaha, ivon­dronan’ny fikambanan’ny tantsaha samihafa miady amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Izany dia misy fiantraikany amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa. Hana­tanterahan’ny Tranoben’ny tantsaha, hisy tetikasa iray ho fanalefahana ny fiantraikan’ ny fiovan’ny toetr’andro.

Araka ny nambaran’ny Federasiona vehivavy tan­tsaha malagasy, hita taratra mivantana sy ankolaka amin’ ny vokatra izany. Matetika tsy ampy rano dia tsy tomombana sy ratsy koa ny vokatra, na simba noho ny rano tafahoatra miaraka amin’ny rivo-doza. Kely ny vanim-potoana fambolena, satria tsy ampy ny rano ; ny tantsaha tsy mahay na tsy afaka mitahiry rano, mihena hatrany ny vokatra ary ratsy ny kalitao. Hita izany amin’ny vary, katsaka, mangahazo, sns. Eo koa ireo doro-tanety sy tevy ala, ireo indostria tsy manaraka fepetra ka mamoaka entona tafahoatra.

Maina matetika, satria tsy ampy rano na simba noho ny rano be loatra miaraka amin’ny rivo-doza. Lasa kely noho izany ny vanim-potoana hambolena, kely manarak’izay koa ny vokatra.

Ndrina

Partager sur: