Aiza izay fanovana ny mpikambana amin’ny governemanta ? Inona indray aza ity ataon-dRatsirahonana ity? Ahoana koa itony fiaingana masiakan’ingahy Siteny itony ? Santionan’ny fanontaniana mipetrapetraka eny rehetra eny izany. Indrindra fa amin’ny mpanara-baovao politika. Fanina sy sanganehana ny rehetra manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Toa mandroso mihemotra, tsy hita be ihany ny andraisana azy. Nirimorimo ny lamasinina voalaza fa hitondra fanovana tamin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny volana janoary. Tampoka, nihitsoka. Toa maty an-dalana ny fijery azy. Asa anefa raha namonjy fiantsonana naka solika, ahafahana manohy ihany koa ny dia ?
Efa nitondra fanampim-panazavana mikasika ny raharaham-pirenena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, saingy tsy araka ny niandrasana azy ny vontoatin-dresany. Efa ny vaovao teo ihany no miverina sy nambarany. Ny filoham-pirenena, mitazona ny familiana aza izao, mampametra-panontaniana ny maro izay tiany hahatongavana. Mbola variana amin’ny fandraisam-bahiny eny an-dapa angaha ? Sanatrian’ ny vava, ny hifanome tsiny fa manoloana ny toe-java-misy, ankehitriny, mipetraka ihany ny fanontaniana. Aiza izay fanapahan-kevitra hentitra hamahana ny olana mafy mampikaikaika ny vahoaka Malagasy?
Efa iaraha-mahalala fa latsaka anaty krizy lalina ny isan-tokantrano. Tsy misy anefa ny vahaolana mivaingana sy maharitra entin’ny mpitondra. Toa samy mihenahena, manavotra ny ainy ny isam-batan’olona. Maika manampy trotraka ny latsalatsan’ny zava-boahary. Tsy misy faritra na iray aza, tsy mijafajafa hanaovan’ny toetr’andro azy. Tsy misy sehatra, mba voaaro. Ny Fiaramanidin’ny Madagascar Airlines aza izao, mahita izay hoe nipoahan’ny varatra!
Miandry miandry lava ny sarababem-bahoaka. tsy hita izay hosarangotina. Mila mijoro amin’ny maha izy azy ny filoham-pirenena. Anisan’ny andrasan’ny maro aminy rahateo ny fitondrany « fahagagana » ho an’ny tanin-janaka sy ny taranaka, mialoha ny fahataperan’ny taom-pitondrany. Mbola tsy very fanantenana ny valala tsy mandady harona. Tsy manary toky ny besinimaro. Mbola any amin’Atoa Rajoelina Andry rahateo aloha hatreto ilay lakile goavambe noraisiny teny Iavoloha, raha nanao fifamindram-pahefana izy sy ny filoha nodimbiasany.
r.r