Efa nanondrana akondro tany Eoropa i Madagasikara tamin’ny 1961, tsy latsaky ny 20 000 t, nitohy nihabetsaka tamin’ny taona 1966, tafakatra 35 716 t. Nisy fotoana nampihena izany noho ny andro ratsy saingy tamin’ny Repoblika voalohany ihany, niezaka nanarina ny fambolena akondro ny fanjakana, nametraka politika manokana nidirana amin’ny tsena eoropeanina. Nisy sambo natao mpitatitra fotsiny, nandray ny vokatra teo Toamasina isaky ny telo herinandro.
Nanana ny toerany manokana ny akondro avy eto Madagasikara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na henjana aza ny fifaninanana tamin’ ireo avy any amin’ny firenen-kafa, nanamafy ny minisiteran’ny Fambolena tamin’izany fotoana, fa tsy tokony hamaivanina ny famokarana akondro. Natao ny fanadihadiana rehetra ho fanatsarana sy fampitomboana ny vokatra. Navahana ny fikajiana azy ho an’ izany varotra ivelany izany.
Tombony lehibe, saika ahitana voly akondro ny faritra maro eto amin’ny Nosy afa-tsy ny any Atsimo. Marihina anefa fa any atsinanana ihany no ahitana ireo karazana akondro fanondrana, sady manamora ny fitaterana azy eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tena mpamokatra ny any Vavatenina, Iazafo, Onibe, Ivoloina, Ivondro, Ambinanony, Brickaville, Anivorano. Tsy nahitana karazan’aretina any amin’ireo tanàna ireo, izay nisy fototra akondro an-tapitrisany. Voankazo « malemy » mila tsara fiarovana. Amin’izao fotoana, tsy fantatra mazava firy sisa ny aondran’i Madagasikara raha misy ?
Ndrina