Taterin’ny ben’ny Tanàna, fa miha-ratsy ny zava-misy any amin’ny kaominina Ankilimalinike,
distrika Toliara II. Sahirana ara-pivelomana ny mponina vokatry ny tsy fisian’ny asa. Vahaolana ny hanokafana ny Base Toliara.
Tandindomin-doza ! Nohitsian’ny ben’ny Tanàna Ankilimalinike, Mahatoro Longin, fa manjaka ny asan-jiolahy any amin’io kaominina io, satria tsy manana asa ny mponina. Eo koa ny tsy fahampian’ny rano fisotro sy entina hambolena na hiompiana. Tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa ny olona, ary voatery amidy ny biby fiompy hividianana sakafo.
Mahatsapa anefa ity olom-boafidy ity fa anisan’ny vahaolana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Efa vonona ny hiasa any Ankilimalinike sy Tsianisiha ny orinasa Base Toliara, sady ananany daholo ny fahazoan-dalana ilaina. Mankasitraka ny hiasany rahateo ny mponina tompon’ny tany. Maro ny tetikasa ara-tsosialy natomboka, notohanana sy novatsian’ity orinasa ity ara-bola, nampandrosoana ireo kaominina voakasiky ny fitrandrahana fasimainty. Naaton’ny fanjakana daholo anefa izany ny taona 2019.
Hampidi-bola ny kaominina ny tamberim-bidy
Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Ankilimalinike fa “fotoana izao hanokafana ny Base Toliara. Mila jeren’ny fanjakana ny tombontsoa ambon’ny daholobe, fa tsy ny an’ny olom-bitsy, izay tsy mipetraka akory ao amin’ny kaominina voakasiky ny fitrandrahan’ny Base Toliara. Resy lahatra izy fa ho maro ny asa ho vitan’ny kaominina, raha miverina ity tetikasa ity, satria tsy ahavitana inona ny fanampiana ara-bola kely azony amin’ny fanjakana foibe. Singanina amin’izany ny hetra sy ny tamberim-bidy ho aloan’ity orinasa vaventy ity ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Hamaha ny tsy fandriampahalemana ny asa omen’ny orinasa, sady hanana fidiram-bola ny mponina”.
Mipaka isan-tokantrano
Efa nilaza ny depiote Toliara II, Rochelin Houssen, fa resy lahatra amin’ny tombontsoa ateraky ny tetikasa ny mponina, izay tena mipaka any amin’ny isan-tokantrano. Koa, mitaky ny hanokafana indray ny orinasa izy ireo. Mitondra ny tenin’ny vahoaka any amin’ny filoham-pirenena ity olom-boafidy ity.
Ho an’ny ben’ny Tanàna Mahatoro L., mila mamaha ity olana ity ny fanjakana. Tokony manome vahaolana hafa izy raha tsy hanokatra ny Base Toliara. «Satria ity tetikasa ity irery ihany no fanantenananay hitondra fampandrosoana», hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy
Fampahatsiahivana ny tenin’ireo manam-pahaizana
Rakotondrainibe Herivelo, manampahaizana amin’ny «hydrogéologie» : «Mahafeno ny fepetra araka ny lalàna sady mahafa-po ny fanadihadiana ny rano any ambanin’ny tany nataon’ny Base Toliara».
Razakamanana Théodore, manampahaizana amin’ny jeolojia, mpampianatra eny amin’ny oniversite Toliara :
«Tsy misy atahorana amin’ny lafiny «radioactivité» ny tetikasa Base Toliara. Tsy miantraika any amin’ny rano fisotron’ny mponina ny fitrandrahana ataony».