Brieville : ankizilahikely nihotsahan’ny trano

Zava-doza no niseho tao amin’ny fokontany sy kaominina Brieville, Ambanitsena, distrika Tsaratanàna, omaly. Ankizilahikely valo taona no maty nihotsahan’ny trano to­ko­ny ho tamin’ny 01 ora ma­raina teo. Niseho tao anatin’ ny torimaso ny loza. Tamin’io fotoana io, nitsahatra ny orana ary samy raiki-tory izy telo mianaka tompon-trano. Ilay ankizilahikely natory tao amin’ny efintranony. Tampoka teo, nihotsaka ny tamboho tsy lavitra teo ka nahazo ny trano fonenan’izy ireo. Vokany, to­to­try ny biriky tao ny raim-pi­a­nakaviana iray saingy tafavoaka sy avotra soa aman-tsa­ra, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Teo no eo ihany, nitsangana izy ka nidodododo namonjy an-janany. Indrisy anefa fa maty tsy tra-drano tototr’ireo tany ilay zanany lahy. Nohamafisin’ny zandary fa naratra tamin’ity loza ity izy mivady saingy tsy misy ahiana ny ainy. Efa nahazo fitsaboana teny amin’ ny hopitaly ihany koa izy ireto. Marihina fa trano biriky tsy misy rihana ity tra-doza ity. Ankoatra izay, mbola manentana ny mponina ao an-toerana ny mpitandro filaminana mba hiala sy handao ireo toerana mampanahy rehetra. Tapahina ihany koa ireo hazo mety hitera-doza. Nasaina nifindra monina ihany koa ireo olona mipetraka amin’ny trano ahina hitera-doza hisorohana ny tranga toy izao.

Henintsoa H.

Partager sur: