Depiote R. Feno : “Ilaina ny mahazaka tsikera”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka Tim, Ralambomanana Feno, voa­fidy tetsy amin’ny boriborintany III. “Mila mahazaka tsikera sy mandray lesona amin’ny zavatra tsy mety ataony ny mpitondra fanjakana amin’
izao fotoana izao. Aoka tsy mandany andro sy variana manohitra ny mpanohitra fa lasa mivarina an-kady ny firenena”, hoy izy. Notanisainy fa mijaly ny vahoaka. Sahirana sy mampalahelo, ary lasa ambanin-javatra tanteraka ny fampandrosoana ny firenena, araka ny nambarany. “Any amin’ny zavatra tsy tokony iadian-kevitra no hitarina sy handaniana fotoana. Tokony hahay hifehy tena sy handanjalanja ny fihetsikareo ianareo mpitondra fanjakana fa ianareo ihany no mamboly korontana amin’ny toriteny tsy tokony iadian-kevitra. Avy eo ianareo indray no mody miantso fitoniana”, hoy hatrany izy.
Mbola tsy nisy tato ana­tin’ny 60 taona ny mpino kristianina mitsikera toriteny. “Samia mandray ny tandrify azy avy ny tsirairay”, araka ny voalazany hatrany.
Tsiahivina fa nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny haintrano niseho tamin’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Anko­rondrano Andrefana sy Tsa­ramasay, ny tenany. Maro ireo fianakaviana nisitraka fanohanana tamin’izany, nankasitraka izao fihetsiky ny depiote Tim izao.

Synèse R.

Partager sur: