“Tsy misy ny famaritana ny hoe vanim-potoana mialoha ny fifidianana. Tsy misy lalàna momba an’izay. Raha ny marina, tokony hitranga mandavantaona ny fihetsiketsehana politika rehetra mialoha ny fotoam-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra izay efa misy manao hetsika politika amin’izao fotoana izao.
Ao anatin’ny lahasan’ny mpanao politika mandavantaona ny manao fanazavana ny heviny, ny maneho ny fomba fijeriny ny trangan-javatra eo anivon’ny fiainam-pirenena… Eo koa ny mampahafantatra ny foto-kevitra ijoroany na ho an’ny mpikambana ao aminy io, na ho an’ny mpankasitraka azy, na ho an’ny olom-pirenena tsotra. Ny fanararaotana no tsy mety. Raha mitana fahefam-panjakana, ohatra, dia manararaotra manao an’izay, na misakana ny hafa tsy hanao an’izay. Mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Tokony hanaja an’izay ny rehetra.
Na izany aza, nambarany fa fanehoan-kevitra sy hetsika manaraka ny lamina mba hitandroana ny filaminana sy ny fitoniana izany rehetra izany. Raha mihoatra an’izay, efa karazana fandikan-dalàna: misy fihantsiana, ohatra, na misy fiheverana hitaona olona hanao fikomiaina… Efa karazana fandikan-dalàna koa ny mitaona olona hifidy ny tena na kandidà, raha tsy tafiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra.
R. Nd.