Ny isavorovoroan-kilantoana tokoa… Nanomboka tamin’ny disadisa sy ny fifanoheran-kevitra ny fivoriamben’ireo mpikambana tao amin’ny Omda. Niafara tamin’ny fifidianana izay neken’ny rehetra ihany anefa izany.
Voafidy ireo hisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Fito ireo nilatsaka teo amin’ny sokajy mozika, ka lany tamin’izany i Jaojoby, Zoky Vonjy, Tonton Pà ary i Meizah. Manampy ireo Razanajatovo Hobiana, eo amin’ny sokajy asa soratra, Razafindrakoto Martial, sokajy sarimihetsika ary Randriamanantena arsène na i Arikoms Randria eo amin’ny sokajy “dramatique”. Hanampy azy ireo ny solontena avy amin’ireo minisitera voakasika, handrafitra ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Izy ireo kosa no higify izay ho filohan’ny Filanjevi-pitantanana amin’ny fivoriana voalohany.
Nafana ny fanehoan-kevitra
Tara ny fanombohana. Efa mahazatra amin’ny fotoana rehetra iarahana amin’ny mpanakanto iny. Fa nisy antony manokana kosa ny omaly, satria toa samy nifampiandriandry ny rehetra. Teo koa anefa ny fisian’ny hetsika nataon’i Rossy sy ireo mpanara-dia azy, niditra niaraka tamin’ireo “mpanao vakisaova” ny maraina. “Hataovy amin’ny ara-dalànany fifidianana ao, dia tsy hisy ny gidragidra, fa izahay tsy ho ao”, hoy i Rossy.
Nanomboka ihany ny fivoriana, manodidina ny mitataovovonana. Nanao ny tatitra ara-bola nandritra ny taom-piasana 2022 ny tompon’andraikitra tamin’izay. Vao hanomboka ny tatitra ara-moraly kosa ny tale vonjimaika, no nanomboka ny disadisa. Niakatra ny sehatra i Jaojoby, nandray fitenenana ary nilaza fa “tsy tokony handray fitenenana io tale io, fa ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana ihany”. Niakatra ny feo tamin’ny andaniny sy ny ankilany, samy niezaka nanazava ny heviny.
Niakatra teny an-tsehatra avokoa ireo mpikambana tamin’ny filankevi-pitantanana izay voalaza fa efa tapitra fe-potoam-piasana ny volana novambra teo. “Aleo mba ato an-trano no hanasana ny lamba maloto fa mahamenatra ny ataontsika”, hoy i Tonton Pà. “Enjehina ho mibodo toerana ato izahay, sady lazaina fa mangalatra. Efa indroa aho no tao ary tsy hilatsaka hofidiana intsony fa te hanazava ny tsy mety kosa”, hoy i Samöela. “Samy mpikambana teo anivon’ny C.A lany daty isika, ary samy nahatadidy fa niarahana nanapaka ny nanaovana ny fiviriambe farany teo noho ny antony maro”, hoy kosa i Martial Razafindrakoto.
Samy naneho ny heviny sy ny alehony ary ny hetahetany teo avokoa ny rehetra. Taorian’izay, nifandimby niakatra nandray fitenenana ihany koa ireo mpanakanto, mpomba na tsia ny hisian’ny fifidianana.
Nahita marimaritra iraisana
Taorian’ny fifanazavana sy fifandresen-dahatra naharitra, nahita marimaritra iraisana ny rehetra: hatao ny fifidianana mangaraharaha, manoloana ny sehatra ary manaraka ny fanao hatramin’izay. Nasaina nanolo-tena ireo vonona ny hilatsaka isan-tsokajy, ho eo amin’ny toeran’ny filankevi-pitantanana. Nomena anjara fitenenana handresy lahatra ny namany ny kandidà tsirairay vao niroso tamin’ny latsa-bato. Samy nanaiky ny valim-pifidianana avokoa ireo mpifaninana, taorian’ny fanisam-bato.
Mitovitovy ihany ny fangatahana
Raha haravona, resabola ny tena olana fototra ao amin’ ny Omda. Ilay fitsinjarana ny volazon’ny mpamorona amin’ ny mpikambana tsirairay no nahatonga ny disadisa tany am-boalohany. Taty aoriana kosa, ny fiatoan’ny fahazoana io vola io, no nahatonga ny fitakiana rehetra. Niraisan’ny rehetra hevitra ny tokony hivoahan’ny vola hoan’ireo mpikambana Omda satria efa herintaona no tsy nisy izany. “Azo lazaina hoe natao anatin’ny hamehana ihany ity fivoriambe ity, mba hilazana sy hatolotra ny filoham-pirenena fa efa tafapetraka ny rafitra, feno ny toerana ao amin’ny Filankevim-pitantanana, ka mangataka aminy hanendry tale amin’izay mba hahafahan’ny Omda miasa. Na tale vaovao na tale mpisolo toerana aloha no tendrena, dia afaka mamaha ny olana ara-bola misy amin’izao, satria ny mpanao Sonia no tsy misy”, hoy ny filazan’i Francis Turbo, izay filohan’ny filankevi-pitantan’ny Omda farany teo.
Samy nilaza ihany koa izay nandray fitenenana fa tsy misy manakana ny fivoarana mba hanatsarana ny rafitra, ho mangaraharaha kokoa noho ny teo aloha.
Raha tsiahivina, ny volana febroary 2022 no nivoaka nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny fanatsaharana ny talen’ny Omda tamin’ny asany. Nanomboka teo ny fizaran-kevitra, satria nisy ireo mpanakanto mpiara-dia tamin’ny tale natsahatra no naneho ny tsy fankasitrahany izany. Tetsy andaniny, nisy koa ireo nangataka fanovana amin’izay, fa mahatsiaro tsy misitraka ara-dalàna sy ara-drariny ny zony. Nisy ny fiantsoana hoan’izay liana ho talen’ny Omda, navoakan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Nandritra izay, nirosoana ihany koa ny fampahafantarana ireo fanovana kasaina entina hoan’ny Omda. Anisan’ireny ny “digitalisation”, nataon’ny orinasa Manoova sy ny minisitera niantsoana ireo mpamorona hampiditra indray ny sanganasany, hanamora ny fanaraha-maso sy ny fisitrahana ny zon’izy ireo.
Nilaza fa nanantona ny filohan’ny Repoblika kosa ireo mpanakanto notarihin-dry Rossy, Jaojoby, Samoëla, sns, ka natsahatra aloha ny fanendrena ny talen’ny Omda. Nanolotra volavolan-dalàna mahakasika ny famoronana ara-javakanto koa i Rossy amin’ny maha solombavambahoaka azy, ary efa lany teo anivon’ny Antenimeram-pirenena io. Goavana indrindra ao, ny hampaleo tena ny Omda fa tsy ho rafitra eo ambany fiahian’ny minisitera misahana ny kolontsaina intsony. Mbola lavidavitra anefa ny lalan’ity volavolan-dalàna ity, ka any amin’ny filohan’ny Repoblika aloha ny vahaolana fohy ezaka amin’izao…
Randria.