Governoran’i Bongolava : “Tsy izaho no nanala ny préfet”

“Tsy izaho no nanala azy, fa hevitry ny vahoaka niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ary nandalo ny filankevitry ny minisitra dia nesorina ny préfet”, hoy ny governoran’i Bon­golava, ny Jly Ramiaramanana Joseph. Fanehoan-keviny momba ny hetsika an-dalambe sy filanjana sora-baventy ary kabary nataon’ny sasantsasany amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ary ny mponina ao an-toerana tao Tsiroanomandidy, ny herinandro teo, mitaky ny fanalana.
Nisy gaboraraka sy kolikoly tao Bongolava hatramin’izay. Sahirana ny vahoaka fa tsy afa-miteny. Bedy na esorina na handefasana an’izao na izatsy rehefa miteny. Misy afa-mijoro vavolombelona amin’izany. “Rehefa tonga ny tenako, tsy niaraka tamin-dry zareo tamin’io fanaovana kolikoly io. Misy porofo fa tsy miteniteny fotsiny”, hoy izy.
Nisy ny porofo nivoaka sy fijoroana vavolombelona fa nisy vola mihoapampana na­lain’ny préfet, araka ny porofo. Tsy mitsara izy governora hoe nangalatra ny préfet, araka ny fanazavany. Araka ny porofo navoakan’ny olona sy ny fijoroana ho vavolombelona izany. “Inona no ataon’ny olo­na?” hoy ihany izy. Voalazan-dry zareo mpanao fihetsiketsehana fa izy governoran’ny faritra no nanala ny préfet tamin’ny

toerany tamin’izany.

R. Nd.

Partager sur: