Lanonan-dehibe ho an’ny Federasiona malagasin’ny kung fu Wisa, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Mpikatroka anarivony no nandray fampianarana tamin’ny Grand Maitre Avoko, filohan’ny Federasiona. Hevi-dehibe nivoitra nandritra ny fihaonana ny nanambaran’ny Grand Maitre Avoko fa handray anjara mivantana amin’ny raharaham-pirenena ny taranja kung fu Wisa. “Ilaina ny fandraisana andraikitry ny mpanao kung fu Wisa”, hoy ny nambarany. Nisy ny fampianarana teknika sy fampisehoana ary ihany koa ny fampianarana “développement personnel”. Fotoana koa io nanararaotan’ny mpikambana kung-fu Wisa ao Analamanga nifampiarahabana noho ny taona vaovao ho an’ny mpitantana sy ny raiamandreny kung fu Wisa ka nisy ny fizarana vatomamy ho an’ny mpanatrika rehetra.
Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny filoham-boninahitry ny kung fu Wisa, Rabetsaroana Sylvain, izay notoloran’ny Federasiona fisaorana manokana. Tsy nanadino nisaotra ny tanànan’Antananarivo amin’ny alalan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ihany koa izy, nanome ny toerana nahafahana nanatanteraka ity hetsika goavana ity.
Nanamafy ny Grand Maître Avoko fa hitohy ny fitetezam-paritra ho azy ireo ary hamafisina hatrany ny fampiakarana ny haavo teknikan’ny kung fu Wisa izay efa manana sampana any Eoropa (Frantsa).
Tsiahivina fa ankoatra ny maha haiady ny kung fu Wisa, misahana ihany koa amin’ny fanaovana asa sosialy izy ireo.
Mi. Raz